<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>54</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jesosy Mpamonjy,
 Ilay Tompon'ny aina, no hita
 Nidina teto an-tany
 hamonjy antsika :
 O, mba derao !
 Izy Mpanavotra anao,
 Ka mifalia, ry mino !

[V2]
 Indro ny tenin'anjely
 milaza ny soa !
 Teraka Jeso Mpamonjy
 antsika tokoa :
 O, mba derao !
 Tonga ny andro vaovao,
 Andron'ny Filazantsara.

[V3]
 Dia iventesonao hira
 vaovao re, izany !
 Tonga Jesosy hamonjy
 izay mitomany :
 O, mba derao !
 Afaka isika izao !
 Izy Mpisolo antsika !

[V4]
 Tonga ny Tompon'ny tompo
 hisolo ny ory,
 Ka mifohaza, ry olona
 mbola matory :
 O, mba derao !
 Amin'ny feo vaovao,
 Jeso, izay Tompo mahery !</lyrics>
<title>Jeso Mpamonjy, Ilay Tompon'ny aina FFPM54</title>
<author>J. Neander</author>
</song>